plt_tn/isa/01/14.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.

ireo volanareo vaovao sy ireo firavoravoana voatondronareo

Ny teny hoe "volana vaovao" dia ilazana ny fankalazana ny volana vaovao. Ireo koa dia fibangoan-teny ilazana ny fangalazana mahazatra. DH: "ny fankalazanareo ny volana vaovao sy ny fetinareo mahazatra"

volanareo vaovao

Ny volana vaovao dia amin'ny fotoana hamoisehoan'ny volana fahazvana voalohany aorian'ny nahamaizina azy.

enta-mavesatra ho Ahy ireny; ketraka amin'ny fiharetana ireny Aho

Io dia mampitaha ny fahatsapan'Andriamanitra momba ny fankalazan'ny olona amin'ny filanjana zavatra mavesatra. DH: "ireo dia enta-mavesatra izay mahareraka ahy ny mitondra azy"

manafina ny masoko tsy ho aminareo Aho

Io fia fomba fiteny ilazana hoe "tsy hijery anareo Aho" na "Tsy hiraharaha anareo Aho"

feno rà ny tananareo

Izany no antony tsy hihainoan'Andriamanitra ny vavak'izy ireo. Raha ny izy dia ilazana ny herisetra izay nataon'izy ireo tamin'ny olona ny rà. DH: "satria toy ny hoe feno ny ràn'ireo izay nasianareo ratsy ny tananareo" na "satria meloky ny herisetra ianareo"