plt_tn/hos/11/08.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka momba an'Israely i Yaveh.

Ahoana no handaozako anao, ry Efraima? Ahoana no hanolorako anao, ry Israely?

Tena tian'Andriamanitra tokoa ny olona hany ka tsy ho ringaniny tanteraka. Azo adika ho fanambarana tsotra ireo fanontaniana ireo. DH: "Tsy hahafoy anao Aho, ry Efraima. Tsy hanolotra anao Aho, ry Israely."

Ahoana no hanaovako anao tahaka an'i Adma? Ahoana no hanaovako anao tahaka an'i Zeboima?

Tena tian'Andriamanitra tokoa ny olona hany ka tsy ho ringaniny tanteraka. Azo adika ho fanambarana tsotra ireo fanontaniana ireo. DH: "Tsy te hanao tahaka ny nataoko tamin'ny Adma aminao aho na hanao anao tahaka an'i Zeboima—izay tanàna noravako niaraka tamin'i Sodoma"

Fa Andriamanitra Aho fa tsy olona

Tsy tahaka ny olona izay malaky manapa-kevitra ny hamaly faty Andriamanitra.

Niova ny tao anatin'ny foko

Eto ny "fo" dia ilazana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fanapahan-keviny.

ary tsy ho avy amin'ny fahatezerana Aho

Ny teny hoe "fahatezarena" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra "tezitra." DH: "Tsy ho avy eo aminao sy ho tezitra aminao Aho"