plt_tn/hos/09/13.md

1016 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny i Hosea mpaminany.

Efa nahita an'i Efraima Aho, tahaka an'i Tyro, nambolena teo amin'ny tanin'ahitra

Ny hoe "nambolena" dia ilazana ny fipetrahana amin'ny toerana milamina. DH: "Efa tsara tarehy sy nahafinaritra tahaka ny tanànan'i Tyro ny firenen'Israely taloha, tahaka ny hazo izay nambolen'ny olona teny amin'ny tanin'ahitra"

fa Efraima dia hitondra ireo zanany ho any

Ny "zanany" dia ireo olona avy ao amin'izany firenena izany. DH: "saingy hitondra ireo zanany ho any ... ny vahoakan'Israely"

Omeo izy ireo, ry Yaveh—inona no homenao azy ireo

Mampiasa fanontaniana i Hosea mba hanindriana fa tiany mba hanome ny vahoakan'Israely izay mendrika azy ireo Yaveh. DH: "Izao no angatahiko aminao, ry Yaveh, dia ny hanome azy ireo: omeo izy ireo"

nono izay tsy manome ronono

Ny hoe "tsy manome ronono" dia midika fa tapitra aloha loatra ny fitondrana vohoka ary maty ilay zaza. Mangataka ny mba hanaovana ny vehivavin'ny firenena rehetra tahaka izany.