forked from WA-Catalog/plt_tn
32 lines
1.6 KiB
Markdown
32 lines
1.6 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Miteny i Hosea mpaminany.
|
|
|
|
# Inona no ho ataonareo amin'ny andron'ny firavoravoana voatondro, amin'ny andron'ny firavoravoana ho an'i Yaveh?
|
|
|
|
Ampiasain'i Hosea io fanontaniana io mba hanindriana fa tsy ho afaka hitandrina ny firavoravoana intsony ny olona rehefa mandresy azy ireo ka maka azy ireo ho babo ny fahavalony. DH: "Tsy ho afaka ny hitandrina ny firavoraoana izay notendren'i Yaveh ho anareo ianareo"
|
|
|
|
# andron'ny firavoravoana voatondro ... ny andron'ny firavoravoana ho an'i Yaveh
|
|
|
|
Samy mitovy hevitra ihany ireo.
|
|
|
|
# raha afa-mandositra amin'ny fandringanana izy ireo
|
|
|
|
Eto "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "raha tafandositra ianareo"
|
|
|
|
# dia hanangona azy ireo Egypta, ary handevina azy ireo i Memfisa
|
|
|
|
Egypta sy Memfisa dia manondro ireo olona izay monina ao. DH: "hambabo anareo ny tafik'i Egypta. Ho faty eto ianareo, ary ny olona ao amin'ny tanànan'i Memfisa no handevina anareo"
|
|
|
|
# Raha ny amin'ireo harena volafotsin'izy ireo—ho lasan'ny tsilo maranitra ireo
|
|
|
|
Ny tsilo maniry eo amin'ny toerana nitehirizan'ny Israelita ny volafotsiny dia resahina toy ny hoe olona fahavalo izay haka ny fananan-tsarobidin'ireo Israelita ho azy manokana. DH: "Haniry eo amin'izay hitehirizan'izy ireo ny harena volafitsiny ny tsilo maranitra"
|
|
|
|
# ho lasan'ny tsilo maranitra ireo, ary hameno ny lain'izy ireo ny tsilo
|
|
|
|
Eto ny "tsilo maranitra" sy "tsilo" dia mitovy hevitra ihany. Ny fisian'ny tsilo maniry dia maneho tany izay lasa lao ary tahaka ny tany efitra.
|
|
|
|
# ny lain'izy ireo
|
|
|
|
Eto ny "lay" dia maneho ny fonenan'ireo Israelita.
|