plt_tn/hos/09/05.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny i Hosea mpaminany.

Inona no ho ataonareo amin'ny andron'ny firavoravoana voatondro, amin'ny andron'ny firavoravoana ho an'i Yaveh?

Ampiasain'i Hosea io fanontaniana io mba hanindriana fa tsy ho afaka hitandrina ny firavoravoana intsony ny olona rehefa mandresy azy ireo ka maka azy ireo ho babo ny fahavalony. DH: "Tsy ho afaka ny hitandrina ny firavoraoana izay notendren'i Yaveh ho anareo ianareo"

andron'ny firavoravoana voatondro ... ny andron'ny firavoravoana ho an'i Yaveh

Samy mitovy hevitra ihany ireo.

raha afa-mandositra amin'ny fandringanana izy ireo

Eto "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "raha tafandositra ianareo"

dia hanangona azy ireo Egypta, ary handevina azy ireo i Memfisa

Egypta sy Memfisa dia manondro ireo olona izay monina ao. DH: "hambabo anareo ny tafik'i Egypta. Ho faty eto ianareo, ary ny olona ao amin'ny tanànan'i Memfisa no handevina anareo"

Raha ny amin'ireo harena volafotsin'izy ireo—ho lasan'ny tsilo maranitra ireo

Ny tsilo maniry eo amin'ny toerana nitehirizan'ny Israelita ny volafotsiny dia resahina toy ny hoe olona fahavalo izay haka ny fananan-tsarobidin'ireo Israelita ho azy manokana. DH: "Haniry eo amin'izay hitehirizan'izy ireo ny harena volafitsiny ny tsilo maranitra"

ho lasan'ny tsilo maranitra ireo, ary hameno ny lain'izy ireo ny tsilo

Eto ny "tsilo maranitra" sy "tsilo" dia mitovy hevitra ihany. Ny fisian'ny tsilo maniry dia maneho tany izay lasa lao ary tahaka ny tany efitra.

ny lain'izy ireo

Eto ny "lay" dia maneho ny fonenan'ireo Israelita.