plt_tn/hos/08/06.md

745 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny Yaveh.

Fa ny olona mamafy rivotra dia mijinja tadio

Ny mamafy na mamboly rivotra dia manao zavatra amin'ny tsy misy dikany na amin'ny fomba mamotika. Ny hoe mijinja tadio dia mizaka ny loza avy amin'ny zavatra iray izay natao.

Tsy misy salohiny ny vary maniry eny an-tsaha

Ny "salohy" dia ilazana ny ampahany eo amin'ny zava-maniry izay anirian'ny voa. Ny taho tsy misy salohiny dia tsy manana na inona na inona homena ny mpamboly. Tahaka izany ihany, tsy mba hitondra voka-tsoa ny ataon'Israely.

Raha tonga matoy izany, dia handrapaka izany ny vahiny

Raha misy miafara amin'ny zavatra tsara ny iray amin'izay ataon'Isarely, dia ho avy ka haka izany amin'izy ireo ny fahavalon'Israely.