plt_tn/hos/07/08.md

813 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny Yaveh.

Nifangaro tamin'ireo olona i Efraima

Mety hilazana ny ezaka nataon'ireo mpanjakan'ny fanjakana tavaratra mba hikambanana amin'ny firenena hafa ho fiarovana amin'ny fanafihana io.

Mofomamy fisaka izay tsy mbola navadika i Efraima

Eto ny hoe "Efraima" dia manondro ny fanjakana tavaratr'Isarely. Malemy io firenena io, tahaka ny mofo fisaka izay tsy nataon'ny mpanao mofo nisosona tao am-patana mba ho mafy kokoa. DH: "Tahaka ny mofo izay tsy nisy namadika ny vahoakan'i Efraima"

Volo fotsy no mifafy eo aminy

Eto ny "volo fotsy" dia ilazana ny fahanterana.

nefa tsy fantany izany

Na eo aza izany, io "fahanterana" io dia mazava fa fomba ilazana fa miha-osa hatrany ny fanjakana tavaratr'Israely, satria tsy hain'ilay firenena fa "antitra" izy.