plt_tn/hos/07/01.md

779 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny Yaveh.

te-hanasitrana an'Israely Aho

Ny fampakatoavana an'Israely an'Andriamanitra sy ny fanaovana azy ho mpandray ny fitahiany dia resahina toy ny hoe fanasitranana.

satria mamitaka izy ireo

Mivarotra vokatra amin'ny fomba tsy marina ny olona.

andiana mpandroba

Izany dia vondron'olona izay mamely ny hafa tsy ahoan-tsy ahoana.

mihodidina eo amin'izy ireo ny asany

Ny asa ratsin'ny olona dia mety ho resahina toy ny hoe olona hafa izay vonona ny hiampanga azy ireo ny amin'ny helony.

manoloana ny tavako ireo

Ny "tava" dia maneho ny fanatrehan'Andriamanitra, na ny fahafantaran'Andriamanitra. Ireo "vavolombelona," izany hoe, ireo asa ratsy, dia eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra mba hitondra ny fiampangany.