# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miteny Yaveh. # te-hanasitrana an'Israely Aho Ny fampakatoavana an'Israely an'Andriamanitra sy ny fanaovana azy ho mpandray ny fitahiany dia resahina toy ny hoe fanasitranana. # satria mamitaka izy ireo Mivarotra vokatra amin'ny fomba tsy marina ny olona. # andiana mpandroba Izany dia vondron'olona izay mamely ny hafa tsy ahoan-tsy ahoana. # mihodidina eo amin'izy ireo ny asany Ny asa ratsin'ny olona dia mety ho resahina toy ny hoe olona hafa izay vonona ny hiampanga azy ireo ny amin'ny helony. # manoloana ny tavako ireo Ny "tava" dia maneho ny fanatrehan'Andriamanitra, na ny fahafantaran'Andriamanitra. Ireo "vavolombelona," izany hoe, ireo asa ratsy, dia eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra mba hitondra ny fiampangany.