plt_tn/hos/05/08.md

857 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka momba an'Israely i Yaveh.

Tsofy ao Gibea ny anjomara, ary ao Rama ny trompetra

Eto ny "anjomara" sy "trompetra" dia mitovy hevitra ihany. Io didy io dia omena ny olon'i Gibea sy Rama mba hanindriana fa tamy fahavalo.

Manaova hiakiakan'ady ao Betavena hoe: 'Hanaraka anao izahay ry Benjamina!'

Io dia mety hoe fangatahana mba hitarihan'ireo miaramila ao amin'ny fokon'i Benjamina ny olona ho any an'ady. Saingy ny dikan-teny vaovao dia manao ezaka samihafa handikana io fiteny io.

Betavena

Tanàna iray teo amin'ny fari-tany teo anelanelan'ny fanjakana tavaratr'Israely sy ny fokon'i Benjamina any amin'ny fanjakana tatsimo izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:15.

Teo amin'ireo fokon'Israely no nanambarako izay tsy maintsy hitranga

"Hataoko amin'ireo fokon'Israely izay nambarako"