plt_tn/hos/05/05.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka momba an'Israely i Yaveh.

Ny fireharehan'Israely dia vavolombelona manohitra azy

Ny "fireharehana" dia faritan'ity ho toy ny olona izay mijoro vavolombelona manohitra an'Israely any amin'ny fitsarana. Ny toera feno fieboeboan'izy ireo sy ny fitondran-tenany dua mampiseho fa meloka nohon'ny tsy fankatoavana an'i Yaveh intsony izy ireo.

koa ho tafintohina amin'ny fahamelohan'izy ireo Israely sy Efraima; ary Joda ihany koa dia ho tafintohina miaraka amin'izy ireo

Ho lasa tsy mpakatoa an'Andriamanitra tanteraka ireo fanjakana roa nohon'ny fieboeboan'izy ireo sy ny fahotany.

Tsy nahatoky an'i Yaveh izy ireo, fa niteraka zaza tsy araka ny lalàna izy ireo

Ireo mety ho heviny dia 1) midika izany fa nanambady olona avy any amin'ny firenen-kafa ireo Israelita ary manan-janaka amin'izy ireo na 2) midika izany fa tsy nahatoky tamin'i Yaveh ireo ray aman-dreny Israelita ary nampianatra ny zanany hanompo sampy.

ankehitriny ny firavoravoan'ny voaloham-bolana no handevona azy ireo mbamin'ireo sahany

Tokony hanao fankalazana ireo vahoakan'Israely mandritra ny volana vaovao. Eto ity fiteny ity dia toa mamaritra ny firavoravoan'ny voaloham-bolana ho biby izay hihinana ny vahoaka sy ny sahany. Na izany aza, sarotra ny mandika io fiteny io; maro ny dikan-teny mandika izany fa tsy dia manisy hevitra loatra. Na eo aza izany, ny fehin-kevitra amin'izany dia azo antoka fa hanafay ny vahoaka nohon'ny tsy fahatokiany aminy Yaveh.