plt_tn/hos/05/05.md

20 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
# Ny fireharehan'Israely dia vavolombelona manohitra azy
Ny "fireharehana" dia faritan'ity ho toy ny olona izay mijoro vavolombelona manohitra an'Israely any amin'ny fitsarana. Ny toera feno fieboeboan'izy ireo sy ny fitondran-tenany dua mampiseho fa meloka nohon'ny tsy fankatoavana an'i Yaveh intsony izy ireo.
# koa ho tafintohina amin'ny fahamelohan'izy ireo Israely sy Efraima; ary Joda ihany koa dia ho tafintohina miaraka amin'izy ireo
Ho lasa tsy mpakatoa an'Andriamanitra tanteraka ireo fanjakana roa nohon'ny fieboeboan'izy ireo sy ny fahotany.
# Tsy nahatoky an'i Yaveh izy ireo, fa niteraka zaza tsy araka ny lalàna izy ireo
Ireo mety ho heviny dia 1) midika izany fa nanambady olona avy any amin'ny firenen-kafa ireo Israelita ary manan-janaka amin'izy ireo na 2) midika izany fa tsy nahatoky tamin'i Yaveh ireo ray aman-dreny Israelita ary nampianatra ny zanany hanompo sampy.
# ankehitriny ny firavoravoan'ny voaloham-bolana no handevona azy ireo mbamin'ireo sahany
Tokony hanao fankalazana ireo vahoakan'Israely mandritra ny volana vaovao. Eto ity fiteny ity dia toa mamaritra ny firavoravoan'ny voaloham-bolana ho biby izay hihinana ny vahoaka sy ny sahany. Na izany aza, sarotra ny mandika io fiteny io; maro ny dikan-teny mandika izany fa tsy dia manisy hevitra loatra. Na eo aza izany, ny fehin-kevitra amin'izany dia azo antoka fa hanafay ny vahoaka nohon'ny tsy fahatokiany aminy Yaveh.