plt_tn/heb/11/08.md

1.0 KiB

rehefa nantsoina izy

DH: "rehefa niantso azy Andriamanitra"

nandeha nankany amin'ilay toerana

"niala tao an-tranony ary nakany amin'ilay toerana"

izay hahazoany ho lova

Ny tany izay nampanantenain'Andriamanitra homena ireo taranak'i Abrahama dia resahina toy ny hoe lova izay ho raisin'i Abrahama. DH: "izay homen'Andriamanitra azy"

Nandeha izy

"niala tao an-tranony izy"

niainany tany amin'ilay tany nampanantenaina toy ny vahiny

DH: "niainany toy ny vahiny tao amin'ilay tany izay nampanantenain'Andriamanitra azy"

ireo mpiara-mandova

"mpandova miaraka." Ity dia miresaka momban'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba toy ny hoe mpandova izay handray ny lova avy amin'ny rain'izy ireo.

ilay tanàna izay manana ireo fanorenana

Izany dia, fanorenana maharitra. Noho izany ilay tanàna dia ho tanàna maharitra.

ilay tanàna izay Andriamanitra no mpamari-trano sy mpanori-trano

Andriamanitra dia resahina toy ny hoe mpamari-trano sy mpanao trano.

mpamari-trano

olona izay manamboatra ny endriky ny trano