plt_tn/heb/09/21.md

1.3 KiB

namafy izy

"namafy Mosesy"

namafy

Ny famafazana dia hetsika famantarana nataon' ireo mpisorona izay nanantanterahan'izy ireo ireo ny tombotsoan'ny fanekena ho an'ny olona sy ireo zavatra. Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 9:18.

ireo fitoeran-javatra rehetra izay ampiasaina amin'ny fanompoana

Ny fitoeran-javatra dia zavatra iray izay afaka hihazona zavatra. Eto izany dia mety maneho ny karazana fanaka na fitaovana. DH: "Ireo fitaovana rehetra dia nampiasana tamin'ny fanompoana"

nampiasana tamin'ny fanompoana

DH: "nampiasain'ireo mpisorona tamin'ny asan'izy ireo"

saika ny zavatra rehetra no voadio tamin'ny rà

Ny fanaovana zavatra iray ho eken'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe fanadiovana izany zavatra izany. DH: "Ny mpisoroana dia nampiasa rà mba hanadiovana saika ny zava-drehetra"

Eto ny "rà" an'ny biby dia miresaka momban'ny fahafatesan'ny biby.

Raha tsy misy fandatsahan-drà dia tsy misy famelana.

Eto ny "fandatsahan-drà" dia maneho zavatra maty iray ho toy ny sorona ho an'Andriamanitra. Ireo fandavana roa ireo dia afaka midika hoe avy amin'ny fandatsahan-drà ny famelan-keloka rehetra. DH: "Ny famelan-keloka dia tonga rehefa misy zavatra maty toy ny sorona ihany" na "Andriamanitra dia mamela heloka rehefa misy maty ho toy ny sorona ihany"

famelan-keloka

DH: "ny famelana ireo otan'ny olona"