plt_tn/heb/09/21.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# namafy izy
"namafy Mosesy"
# namafy
Ny famafazana dia hetsika famantarana nataon' ireo mpisorona izay nanantanterahan'izy ireo ireo ny tombotsoan'ny fanekena ho an'ny olona sy ireo zavatra. Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 9:18.
# ireo fitoeran-javatra rehetra izay ampiasaina amin'ny fanompoana
Ny fitoeran-javatra dia zavatra iray izay afaka hihazona zavatra. Eto izany dia mety maneho ny karazana fanaka na fitaovana. DH: "Ireo fitaovana rehetra dia nampiasana tamin'ny fanompoana"
# nampiasana tamin'ny fanompoana
DH: "nampiasain'ireo mpisorona tamin'ny asan'izy ireo"
# saika ny zavatra rehetra no voadio tamin'ny rà
Ny fanaovana zavatra iray ho eken'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe fanadiovana izany zavatra izany. DH: "Ny mpisoroana dia nampiasa rà mba hanadiovana saika ny zava-drehetra"
# rà
Eto ny "rà" an'ny biby dia miresaka momban'ny fahafatesan'ny biby.
# Raha tsy misy fandatsahan-drà dia tsy misy famelana.
Eto ny "fandatsahan-drà" dia maneho zavatra maty iray ho toy ny sorona ho an'Andriamanitra. Ireo fandavana roa ireo dia afaka midika hoe avy amin'ny fandatsahan-drà ny famelan-keloka rehetra. DH: "Ny famelan-keloka dia tonga rehefa misy zavatra maty toy ny sorona ihany" na "Andriamanitra dia mamela heloka rehefa misy maty ho toy ny sorona ihany"
# famelan-keloka
DH: "ny famelana ireo otan'ny olona"