plt_tn/heb/04/14.md

1.5 KiB

izay lasa namaky ny lanitra

"izay niditra tao amin'ny toerana misy an'Andriamanitra"

Zanak'Andriamanitra

Ity dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy.

andeha isika hifikitra mafy amin'ny finoantsika

Ny finoana ary fahatokisana dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka azonin'ny olona mafy. DH: "andeha isika hanohy hino am-patokiana ao Aminy"

isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahatsapa fangorahana ... Fa kosa, isika dia manana

Ireo fandavana roa ireo dia midika fa, raha ny tena izy, dia nahatsapa fangorahana tamin'ireo olona Jesosy. DH: "isika dia manana mpisorona be izay afaka mahatsapa fangorahana ... ary tokoa, isika dia manana"

izay efa nalaim-panahy tamin'ny fomba rehetra tahaka antsika

DH: "izay niharitra fankam-panahy tamin'ny fomba rehetra izay nanantsika" na "izay nalain'ny devoly fanahy tamin'ny fomba rehetra izay nakany fanahy antsika"

Izy tsy misy ota

"tsy nanota Izy"

seza fiandrianan'ny fahasoavana

"eo amin'ny seza fiadrianan'Andriamanitra, izay misy ny fahasoavana." Eto ny teny hoe "seza fiadrianan" dia maneho an'Andriamanitra manapaka toy ny mpanjaka. DH: "izay itoeran'ny Andriamanitsika be famindram-po eo amin'ny seza fiandrianany"

mba handraisantsika ny famindram-po sy hahita fahasoavana izay hanampy amin'ny fotoana ilàna izany.

Eto ny hoe "famindram-po" sy "fahasoavana" dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka homena na afaka ho hita. DH: "Andriamanitra anie hamindra fo sy hanome fahasoavana ary hanampy antsika amin'ny fotoana ilàna izany"