plt_tn/gen/48/14.md

32 lines
1.5 KiB
Markdown

# ny tanany havanana ka napetrany teo ambonin'ny lohan'i Efraima
Ny mametraka ny tanany havanana eo amin'ny lohan'i Efraima dia famantarana fa izy no hahazo ilay fitahiana lehibe.
# nitso-drano an'i Josefa i Israely
Eto i "Josefa" dia ilazana an'i Efraima sy Manase. Koa satria i Josefa ny rainy, dia izy ihany no voantonona eto.
# Ilay Andriamanitra izay nandeha teo alohan'i Abrahama sy Isaka
Ny fanompoana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe mandeha eo anoloan'Andriamanitra. DH: "Ilay Andriamanitra izay notompoin'i Abrahama sy Isaka"
# izay niahy ahy
Niahy an'i Israely toy ny mpiandry ondry izay miahy ny ondriny Andriamanitra. DH: "izay niahy ahy toy ny mpiandry ondry izay miahy ireo biby fiompiny"
# ilay anjely
Ireo mety ho heviny dia 1) ilazana ilay anjely izay nirahan'Andriamanitra hiaro an'i Jakoba izany na 2) ilazana an' Andriamanitra izay naka endrika anjely ka niharo an'i Jakoba.
# niaro ahy
"nanavotra ahy"
# Ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako, ary ny anaran'i Abrahama sy Isaka razako
Eto ny "anarana" dia ilazana olona. Ny andian-teny "ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako" dia fomba fiteny izay midika fa ny olona iray dia tsaroana nohon'ny olona iray hafa. Afaka atao izany hoe: DH: "Ho tsaroan'ny olona anie Abrahama, Isaka, ary izaho noho Efraima sy Manase"
# Hihamaro eto an-tany anie izy ireo
Eto ny "izy ireo" dia ilazana an'i Efraima sy Manase, kanefa ilazana ireo taranak'izy ireo. DH: "Hanana taranaka maro anie izy ireo izay hiaina manerana ny tany manontolo"