# ny tanany havanana ka napetrany teo ambonin'ny lohan'i Efraima Ny mametraka ny tanany havanana eo amin'ny lohan'i Efraima dia famantarana fa izy no hahazo ilay fitahiana lehibe. # nitso-drano an'i Josefa i Israely Eto i "Josefa" dia ilazana an'i Efraima sy Manase. Koa satria i Josefa ny rainy, dia izy ihany no voantonona eto. # Ilay Andriamanitra izay nandeha teo alohan'i Abrahama sy Isaka Ny fanompoana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe mandeha eo anoloan'Andriamanitra. DH: "Ilay Andriamanitra izay notompoin'i Abrahama sy Isaka" # izay niahy ahy Niahy an'i Israely toy ny mpiandry ondry izay miahy ny ondriny Andriamanitra. DH: "izay niahy ahy toy ny mpiandry ondry izay miahy ireo biby fiompiny" # ilay anjely Ireo mety ho heviny dia 1) ilazana ilay anjely izay nirahan'Andriamanitra hiaro an'i Jakoba izany na 2) ilazana an' Andriamanitra izay naka endrika anjely ka niharo an'i Jakoba. # niaro ahy "nanavotra ahy" # Ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako, ary ny anaran'i Abrahama sy Isaka razako Eto ny "anarana" dia ilazana olona. Ny andian-teny "ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako" dia fomba fiteny izay midika fa ny olona iray dia tsaroana nohon'ny olona iray hafa. Afaka atao izany hoe: DH: "Ho tsaroan'ny olona anie Abrahama, Isaka, ary izaho noho Efraima sy Manase" # Hihamaro eto an-tany anie izy ireo Eto ny "izy ireo" dia ilazana an'i Efraima sy Manase, kanefa ilazana ireo taranak'izy ireo. DH: "Hanana taranaka maro anie izy ireo izay hiaina manerana ny tany manontolo"