plt_tn/gal/06/01.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampianatra ireo mpino ny amin'ny fomba tokony hitondran'izy ireo ny mpino hafa sy famalian'Andriamanitra fitia i Paoly.

Ry rahalahy

Adikao araka ny ao amin'ny 1:1.

raha misy olona

"raha misy na iza na iza eo aminareo"

azon'ny ota

Ireo mety ho dikany dia 1) nisy olona nahatratra izay olona izany nanao izany: "tratra teo am-panotana," na 2) nanota fa tsy nanana eritreritra ny hanao ratsy izany olona izany: "nilavo lefona ka nanota"

ianareo izay ara-panahy

"ireo sasany aminareo izay tarihin'ny Fanahy" na "ianareo izay miaina amin'ny fitarihan'ny Fanahy"

hamerina azy

"hanitsy izany olona nanota izany" na "hananatra ilay olona nanota mba hiverina amin'ny fifandraisana tsara amin'Andriamanitra"

amin'ny fahamoram-panahy

Ireo mety ho dikany dia 1) manoro lalana ilay manome fananarana ny Fanahy na 2) "amin'ny toetra feno fahamoram-panahy" na "amin'ny fomba tsara fanahy"

Mihevera ny tenanao

Ireo teny ireo dia mandray ireo Galatiana rehetra toy ny olona iray ihany mba hanindriana fa izy dia miresaka amin'ny tsirairay amin'izy ireo. DH: "Mihevera-tena" na "Milaza amin'ny tsirairay aminareo aho: 'hevero ny tenanareo"'

mba tsy ho halaim-panahy koa ianao

Azo atao hoe DH: "mba tsy hisy haka fanahy anareo hanota ihany koa"