plt_tn/gal/05/16.md

819 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manazava ny fomba hananan'ny Fanahy fahefana eo amin'ny fahotana i Paoly.

mandehana araka ny Fanahy

Ny fandehanana dia sarin-teny maneho ny fiainana. DH: "ento amin'ny herin'ny Fanahy Masina ny fiainanareo" na "hiaino amin'ny fiankinana amin'ny Fanahy ny fianinanareo"

dia tsy hahatanteraka izay filan'ny nofo ianareo

Ny andian-teny hoe "hahatanteraka ny filan'ny nofo" dia fomba fiteny izay midika hoe "manao izy irian'ny olona iray." DH: "Tsy hanao ny filana feno fahotan'ny nofonareo ianareo"

izay filan'ny nofo

Eto ny filan'ny nofo dia resahina toy ny olona izay te hanota. DH: "izay tianareo ho atao nohon'ny filan'ny nofonareo" na "ireo zavatra tianareo ho atao satria feno fahotana ianareo"

tsy ho ambanin'ny lalàna

"tsy voatery hankatoa ny lalàn'i Mosesy"