plt_tn/gal/05/01.md

977 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampihatra ilay fanoharana i Paoly amin'ny fampatsiahivana ireo mpino mba hampiasa ny fahafahan'izy ireo ao amin'i Kristy satria ny lalàna rehetra dia tanteraka amin'ny fitiavana ny mpiara-belona tahaka ny tena.

Ho amin'ny fahafahana no

Mila manindry ny hoe "fahafahana" izay mifanohitra amin'ny fanandevozana noresahina tao amin'ny andininy teo aloha ny dikan-teny eto.

Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika

"Mba ho afaka isika no antony nanafahan'i Kristy antsika"

Miorena tsara

Ny fiorenana tsara eto dia maneho ny fahatapahan-kevitra ny tsy hiova. Azo atao mazava kokoa ny fomba tsy hiovan'izy ireo. DH: "Aza milavo lefona amin'ireo fandresen-dahatry ny olona izay mampianatra zavatra hafa" na "aoka ho tapa-kevitra ny hijanona ho afaka"

raha mamela ny tenanareo ho foraina ianareo

Mampiasa ny famorana i Paoly ilazana ny fomba fivavahana Jiosy. DH: "raha miverina amin'ny fomba fivavahana Jiosy ianareo"