plt_tn/ezr/09/07.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown

# ny andron'ny razambenay
"ny fotoana niveloman'ireo razambenay"
# fahamelohana lehibe...Tao anatin'ny helokay
Ny anarana hoe "fahamelohana" sy "heloka" dia afaka adika ho tambinteny sy matoanteny. DH: "tena meloka...Noho ny zavatra ratsy nataonay"
# izahay...natolotra ho eo an-tanan'ireo mpanjaka
DH: "nomenao izahay...teo an-tanan'ireo mpanjaka"
# eo an-tanan'ireo mpanjakan'ity izao tontolo izao ity
Ny mpanoratra dia miresaka ny famelan'Andriamanitra ireo mpanjaka hanao izay tiany atao amin'ireo Jiosy toy ny hoe nametraka zavatra kely teo an-tanan'ireo mpanjakan'izao tontolo izao ity Andriamanitra.
# ho eo amin'ny sabatra
Ny sabatra dia sarinteny hilazana ny famonoan'ny olona olon-kafa. Namela ny olona hamono ireo Jiosy Andriamanitra.
# eo amin'ny fahababoana
Io anarana io dia afaka adika ho matoanteny. Namela ny olona hisambotra ireo Jiosy sy haka azy ireo Andriamanitra.
# eo amin'ny babo
Io anarana io dia afaka adika ho matoanteny. Namela ny olona haka ny fananan'ireo Jiosy Andriamanitra.
# tarehy mangahiahy
Ny tarehy dia sarinteny hilazana ny henatra izay tsapan'ny olona ary ny hafa izay mahita izany tarehin'olona izany dia mahafantatra izay tsapany.