plt_tn/ezr/06/03.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity dia manomboka ny firaketana ny didin'i Kyrosy Mpanjaka fa nanangana indray ny tempolin'Andriamanitra tao Jerosalema ireo Jiosy.

Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy Mpanjaka

Afaka ambara mazava fa voalohan'ny taona nanjakany izany. DH: "Tamin'ny taona faha-1 nanjakan'i Kyrosy Mpanjaka"

Aoka hatsangana indray ny trano

DH: "Aoka hatsangan'ireo Jiosy indray ny trano"

enimpolo hakiho

"60 hakiho." Mety hamadika izany amin'ny fandrefesana amin'izao ianao. DH: "fito amby roapolo metatra"

miaraka amin'ny vato lehibe telo andalana sy hazo vaovao iray andalana

Ireo mety ho heviny dia 1) izany dia manoritsoritra ny fomba nananganana ny fototra. DH: "Nanamboatra izany tamin'ny vato lehibe telo sosona voafono tamin'ny hazo lehibe iray sosona" na 2) izany dia manoritsoritra ny fomba nanamboarana ny rindrina. DH: "Nanamboatra ny rindrina tamin'ny vato lehibe telo sosona izay mifanarakaraka amin'ny hazo lehibe iray sosona"

aoka ny vidiny haloa amin'ny tranon'ny mpanjaka

Ny andianteny hoe "tranon'ny mpanjaka" dia manambara ny haren'i Kyrosy Mpanjaka manokana tao amin'ny tahirim-bolam-panjakana. DH: "Haloako amin'ny vola avy amin'ny tahirim-bolam-panjakana izany"