# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity dia manomboka ny firaketana ny didin'i Kyrosy Mpanjaka fa nanangana indray ny tempolin'Andriamanitra tao Jerosalema ireo Jiosy. # Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy Mpanjaka Afaka ambara mazava fa voalohan'ny taona nanjakany izany. DH: "Tamin'ny taona faha-1 nanjakan'i Kyrosy Mpanjaka" # Aoka hatsangana indray ny trano DH: "Aoka hatsangan'ireo Jiosy indray ny trano" # enimpolo hakiho "60 hakiho." Mety hamadika izany amin'ny fandrefesana amin'izao ianao. DH: "fito amby roapolo metatra" # miaraka amin'ny vato lehibe telo andalana sy hazo vaovao iray andalana Ireo mety ho heviny dia 1) izany dia manoritsoritra ny fomba nananganana ny fototra. DH: "Nanamboatra izany tamin'ny vato lehibe telo sosona voafono tamin'ny hazo lehibe iray sosona" na 2) izany dia manoritsoritra ny fomba nanamboarana ny rindrina. DH: "Nanamboatra ny rindrina tamin'ny vato lehibe telo sosona izay mifanarakaraka amin'ny hazo lehibe iray sosona" # aoka ny vidiny haloa amin'ny tranon'ny mpanjaka Ny andianteny hoe "tranon'ny mpanjaka" dia manambara ny haren'i Kyrosy Mpanjaka manokana tao amin'ny tahirim-bolam-panjakana. DH: "Haloako amin'ny vola avy amin'ny tahirim-bolam-panjakana izany"