plt_tn/ezk/34/11.md

36 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany ho an'ireo mpitarik'Israely.
# Indro!
Ny teny hoe "indro" eto dia manaitra an'ireo mpiandry ondry mba hifantoka amin'ny fampahafantarana manaitra izay manaraka.
# eo afovoan'ny ondriny miparitaka
"miaraka amin'ireo ondriny miparitaka"
# miparitaka
Ny ondry dia tsy eo amin'ny toerana iray ihany. Ny ondry sy ny osy dia eny amin'ny toerana samihafa izay maha-very sy mampidi-doza azy ireo.
# amin'ny andron'ny rahona sy ny fahamaizinana
"amin'ny andro mandrahona sy maizina." Ity dia maneho ny fotoana hitrangan'ireo loza maro. DH: "rehefa nitranga tamin'izy ireo ny loza mahatsiravina"
# ho entiko izy ireo
"ho entiko ireo ondry aman'osiko"
# avy eo amin'ireo vahoaka
avy eo amin'ireo toerana izay nipetrahan'izy ireo niaraka tamin'ny vahoaka hafa"
# tanin'ahitra
tany izay misy bozaka sy zava-maniry madinika izay afaka hohanin'ny ondry sy ireo osy
# fonenana
toerana izay ipetrahan'ny olona. Matetika izy ireo mipetraka amin'ny trano eo amin'ny fonenana iray. DH: "zana-bohitra"