plt_tn/ezk/32/01.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown

# Tamin'ny volana faharoa ambin'ny folon'ny ... tamin'ny voalohan'ny volana
Ity dia volana faharoa ambin'ny folo sy farany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia manakaiky ny faran'ny Febroary.
# taona faharoa ambin'ny folo
DH: "tamin'ny faharoa ambin'ny folo taona nanaovana sesitany an'i Joiakima mpanjaka."
# tonga tamiko ny tenin'i Yaveh
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
# zanak'olona
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
# Tahaka ny liona tanora eo amin'ireo firenena ianao ... tahaka ny biby masiaka ao an-dranomasina
Ireo mety ho heviny dia 1) Nihevitra izy fa tahaka ny liona izy, kanefa izy dia tena biby masiaka ihany, na 2) tahaka ny liona sy biby masiaka izy
# Tahaka ny liona tanora eo amin'ireo firenena
Egypta dia natanjaka kokoa noho ireo firenena hafa, tahaka ireo liona izay matanjaka kokoa noho ireo biby hafa.
# tahaka ny biby masiaka ao an-dranomasina
Farao dia natanjaka saingy niteraka korontana ho an'ny hafa fotsiny izy, tahaka ny famaritana ity biby masiaka ao anaty rano ity.
# biby masiaka
Ny biby masiaka dia biby izay lehibe sy mampidi-doza. Mety ho voay ity iray ity. Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 29:1.