plt_tn/ezk/17/01.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ezekiela mitatitra hafatra izay omen' Andriamanitra azy.

Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh

"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.

zanak'olona

Ity dia maneho an'i Ezekiela. Ity fehezanteny ity no fiantombohan'ny teny izay lazain'i Yaveh amin'i Ezekiela. Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.

manaova fampanonona ary milazà fanoharana

"omeo ankamantatra ho sainina izy ireo" na "lazao azy ireo ity tantara ity mba ho fanoharana" (UDB)

ankohonan'Israely

Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.

voromahery lehibe

"voromahery tena lehibe"

volon'elatra lava, feno volom-borona

Ny teny hoe "volon'elatra" dia midika hoe ilay farany ivelan'ireo elatra. Fandikana hafa: "ireo faran'ireo elany dia lava sady feno volom-borona"

maro loko

Ity dia maneho an'ilay voromahery.

Nanapaka ny tendron'ny ravina eo amin'ireo sampana izany

"nanapaka ny ampahany avo indrindra amin'ny hazo izany"

nitondra ireo

"nitondra ny tendron'ireo hazo" na "nitondra ireo rantsan-kazo"

namboly izany tao amin'ny tanànan'ireo mpivarotra izy

Ny mpivarotra dia olona izay mivarotra zavatra. "napetrany tao amin'ny tanàna izay nisy mpivarotra maro be izany" na "nambolen'ilay voromahery tao amin'ny tanàna izay fantatra amin'ireo tsenany ny tendron'ilay hazo"