plt_tn/ezk/11/05.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela mpaminany.

nidina tamiko ny Fanahin'i Yaveh

Ezekiela dia miresaka ny Fanahin'i Yaveh manome aingam-panahy sy manome hery azy mba haminany toy ny hoe nilatsaka teo aminy ny Fanahin'ny Yaveh. DH: "nanome hery ahy ny Fanahin'i Yaveh"

ankohonan'Israely

Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita izay taranak'i Jakoba. Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1. DH: "vahoakan'Israely"

araka izay lazainareo

"milaza ireo zavatra ireo ianareo." Ity dia maneho an'izay nolazain'ny vahoaka tao amin'ny 11:2.

Ny olona izay novonoinareo ... no hena, ary ity tanàna ity no vilany

Yaveh dia miresaka an'ireo olona izay novonoin'izy ireo toy ny hoe didi-kena tsara izy ireo ary ilay tanàna toy ny hoe vilany izay nitahirizana na nandrahoana an'ilay hena izany. Jereo ny fomba nandikanao ity sarinteny ity tao amin'ny 11:2. DH: "Ny olona izay novonoinareo ... dia tahaka ny hena ao anaty vilany, ary ity tanàna ity no vilany.

Kanefa ianareo dia entina miala

DH: "fa ho entiko mivoaka ianareo"