plt_tn/ezk/09/05.md

699 B

niresaka tamin'ireo hafa teo an-tsofiko Izy

Ny teny ireo "hafa" dia maneho an'ireo mpiambina.

Aoka tsy hanana fangorahana ny masonao

"aza mangoraka an'ireo olona izay hitanareo"

aza miantra

"aza manindry fo amin'ny famonoana"

marika eo amin'ny lohany

Ireo dia ireo olona izay nitaraina momba an'ireo fahavetavetana izay mitranga ao Jerosalema. Jereo ny fomba nandikanao izay tao amin'ny 9:3.

Atomboy ao amin'ny fitoerako masina

"Atomboy amin'ny famonoana an'ireo izay tsy misy an'ilay marika ao amin'ny fitoerako masina"

ireo loholona

Ireo mety ho heviny dia 1) ireo "loholona fitopolo ao amin'ny ankohonan'Israely" (8:10) na 2) izay "lahy antitra" rehetra (andininy faha 6).