plt_tn/ezk/07/23.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ireto no tenin'i Yaveh amin'i Ezekiela momba an'Israely.

Manaova rojo

Ny rojo dia nampiasaina mba hihazonana andevo na gadra. Andriamanitra dia milaza izany mba hampisehoana ny olona fa ho lasa andevo na gadra izy ireo.

ny tany dia feno ny fitsaran'ny rà

ireo mety ho heviny dia 1) "na aiza na aiza eo amin'ny firenena dia mitsara ny olona Andriamanitra satria namono ny hafa an-keriny izy ireo" na 2) "ny fitsaràna na aiza na aiza eo amin'ny firenena dia mamono olona." Ny teny hoe "rà" eto dia maneho ny famonoana olona sy fahafatesana.

ny tanàna dia feno herisetra

"ny herisetra dia eny rehetra eny ao amin'ilay tanàna" na "olona maro amin'ilay tanàna dia manao zavatra mahery setra amin'ny hafa"

ho fananan'izy ireo ny tranony

"ny ratsy fanahy dia haka an'ireo tranon'Israely"

hamarana ny avonavon'ny mahery Aho

Hampijanona ny fireharehan'ireo vahoaka maherin'Israely amin'ny tenan'izy ireo Aho

ho voaloto ireo toera-masin'izy ireo

"ireo fahavalo dia handoto an'ireo toerana izay hanompoanareo"

ireo toera-masin'izy ireo

ireo toerana izay nanompoan'izy ireo sampy.

Ho avy ny tahotra

"hatahotra ny olona"

Hitady fiadanana izy ireo

"hanantena fiadanana izy ireo" na "hiezaka hanao fihavanana amin'ireo fahavalony izy ireo"