plt_tn/ezk/07/03.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ireto no tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely.
# eo aminao ny fiafarana
"tapitra ny fiainanao" na "tonga ny fiafaran'ny fotoanao"
# araka ireo fombanao
"araka ireo zavatra izay ataonao" na "noho ireo zavatra ratsy izay ataonao"
# hitondra ireo fahavetavetanao rehetra eo aminao Aho
"hataoko miaina an'ireo vokatry ny fitondrantena maharikorikoanao Aho" na "hanasazy anao nohon'ny fanaovana an'ireo zavatra izay halako mafy ireo Aho"
# fahavetavetana
Ity dia maneho ny fitondratena izay halan' Andriamanitra.
# Fa tsy hiantra anao ny masoko
"Fa tsy hijery anao amin'ny famindram-po Aho"
# ho entiko eo aminao ireo fombanao
"hataoko miaina ny vokatr'ireo fitondrantena ratsinao ianao" na "ho saziako noho ireo zavatra ratsy izay ataonao ianao."
# ho eo anivonao ireo fahavetavetanao
1) "hanodidina anao ny vokatry ny fitondratena maharikorikonao" na 2) "hiaraka aminao ireo sampinao ary tsy hanam-pahefana." Ny fahavetavetana eto dia maneho ny fanasaziana nohon'ny fitondratena izay halan'Andriamanitra, na ny sampin'izy ireo, izay halan'Andriamanitra.