plt_tn/ezk/06/08.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ireto no tenin'i Yaveh tamin'ny vahoakan'Israely.

sasany ho tafatsoaka amin'ny sabatra

"sasany izay tsy maty tany an'ady." Ny sabatra dia maneho ny fahafatesana any an'ady.

rehefa miely eraky ny tanàna ianareo

"rehefa mandeha mipetraka any amin'ny firenena samihafa ianareo"

Izaho dia nalahelo tamin'ny fivadibadihan'ny fon'izy ireo izay niodina tamiko

Yaveh dia miresaka ny amin'ireo Israelita toy ny hoe vehivavy izay miara-mandry amin'ny olona maro izy ireo. DH: "Nalahelo Aho satria izy ireo dia tahaka ny vady izay nandao Ahy mba hiara-mandry amin'ny lehilahy hafa"

ary tamin'ny mason'izy ireo izay nijangajanga nanaraka ireo sampin'izy ireo

Yaveh dia miresaka ny amin'ireo Israelita toy ny hoe vehivavy manambady izay mijery lehilahy hafa izy ireo ary maniry ny hiara-mandry amin'izy ireo. DH: "ary naniry mafy ny hanompo sampy izy ireo"

hampiseho rikoriko eny amin'ny tavan'izy ireo tamin'ny faharatsiana izay nataon'izy ireo

Ireo mety ho heviny dia 1) "hankahakala ny tenany izy ireo nohon'ny zavatra ratsy izay nataon'izy ireo" na 2) "hankahala an'ireo zavatra ratsy izay nataony izy ireo." DH: "Ny tavan'izy ireo dia hampiseho ny fankahalan'izy ireo an'ireo faharatsiana izay nataon'izy ireo."