plt_tn/ezk/03/08.md

999 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Manohy miresaka amin'i Ezekiela ilay Fanahin'Andriamanitra.

Indro!

Ny teny hoe "indro" eto dia mampiomana an'i Ezekiela mba hifantoka amin'ny fampahafantarana izay manaraka eo.

Efa nanamafy ny tavanao tahaka ireo tavany Aho

DH: "nataoko mafiloha tahaka azy ireo ianao"

Efa nanamafy ... ny handrinao ho mafy tahaka ny handrin'izy ireo

Ny teny hoe "handrina" dia sarinteny ho an'ilay olona mihitsy. DH: "Efa nanamafy anao Aho mba tsy hijanona tsy hanao izay ataonao ianao"

Nataoko tahaka ny diamondra ny handrinao, mafy noho ny afovato

"nataoko tahaka ny vato mafy indrindra ny handrinao, mafy kokoa noho ny afovato"

afovato

vato izay mafy tsara mba handrehetana afo amin'ny alalan'ny fikosohana izany amin'ny vy na vato hafa

taranaka

Ity dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "Vondron'olona" Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.