plt_tn/ezk/03/08.md

28 lines
999 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Manohy miresaka amin'i Ezekiela ilay Fanahin'Andriamanitra.
# Indro!
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiomana an'i Ezekiela mba hifantoka amin'ny fampahafantarana izay manaraka eo.
# Efa nanamafy ny tavanao tahaka ireo tavany Aho
DH: "nataoko mafiloha tahaka azy ireo ianao"
# Efa nanamafy ... ny handrinao ho mafy tahaka ny handrin'izy ireo
Ny teny hoe "handrina" dia sarinteny ho an'ilay olona mihitsy. DH: "Efa nanamafy anao Aho mba tsy hijanona tsy hanao izay ataonao ianao"
# Nataoko tahaka ny diamondra ny handrinao, mafy noho ny afovato
"nataoko tahaka ny vato mafy indrindra ny handrinao, mafy kokoa noho ny afovato"
# afovato
vato izay mafy tsara mba handrehetana afo amin'ny alalan'ny fikosohana izany amin'ny vy na vato hafa
# taranaka
Ity dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "Vondron'olona" Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.