plt_tn/exo/19/03.md

1.2 KiB

ankohonan'i Jakoba

Ny teny hoe ''ankohonana" eto dia manondro ny fianakavian'i Jakoba sy ireo taranany. DH: "ireo taranak'i Jakoba"

ankohonan'i Jakoba, dia ny vahoakan'i Israely

Ny andianteny hoe "vahoakan'i Israely" dia manazava ny dikan'ny hoe "ankohonan"i Jakoba'.

Efa hitanareo

Ny teny hoe "-nareo" eto dia manondro ireo Israelita. Milaza amin'i Mosesy izay hotenenina amin'ireo Israelita i Yaveh.

nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery

Resahin'Andriamanitra toy ny hoe elatra Izy ary nitondra azy ireo tamin'ny elany ny fitondrana ny vahoakany raha nandeha izy ireo. DH: "Nanampy anareo handeha tahaka ny voromahery izay mitondra ny zanak'izy ireo amin'ny elany Aho"

mihaino am-pankatoavana ny feoko

Ny am-pankatoavana dia afaka lazaina ho matoanteny. DH: "Henoy ny feoko ary ankatoavy Aho"

feoko

Ny feon'Andriamanitra dia manondro izay lazainy. DH: "izay teneniko" na "ireo teniko"

mitandrina ny fanekeko

"manao izay takian'ny fanekeko hataonareo"

harena manokana

"fananana"

fanjaka-mpisorona

Resahin'Andriamanitra toy ny hoe mpisorona ireo vahoakany. DH: "fanjakan'ny olona izay tahaka ny mpisorona" na "fanjakan'ny olona izay manao izay ataon'ny mpisorona"