plt_tn/exo/15/17.md

944 B

Hitondra azy ireo

Izay hitondran'Andriamanitra azy ireo dia afaka ambara mazava. Satria tsy mbola vonona i Mosesy tany Kanana, dia hampiasa ny hoe "maka" noho ny hoe "mitondra" ireo fiteny sasany. DH: "Haka ny vahoakanao ho any Kanana ianao"

hamboly azy ireo eny an-tendrombohitra

Resahin'i Mosesy toy ny hoe hazo izay nambolen'Andriamanitra ny nanomezan'Andriamanitra ny olony ny tany izay hitoeran'izy ireo. DH: "nametraka azy ireo teo an-tendrombohitra" na "namela azy ireo hitoetra eo an-tendrombohitra"

tendrombohitry ny lovanao

Io dia manondro ny Tendrombohitr'i Ziona ao an-tany Kanana.

lovanao

Ny fampanantenan'Andriamanitra hanome ny tendrombohitra ho an'ny olony mandrakizay dia resahin'i Mosesy toy ny hoe omeny ho azy ireo ho lova izany. DH: "izay nomenao azy ireo ho lova"

izay efa namboarin'ny tananao

Ny andian-teny hoe "ny tananao" dia manondro ny herin'Andriamanitra. DH: "izay namboarinao tamin'ny herinao"