plt_tn/exo/15/09.md

1.3 KiB

ny faniriako dia ho tanteraka amin'izy ireo

DH: "Hameno ny faniriako aminareo Aho" na "Halaiko amin'izy ireo ny tiako rehetra"

hamotika azy ireo ny tanako

Ny fahavalo dia miresaka ny famotehana ireo Israelita amin'ny herin'ny tanany toy ny tanan'izy ireo izay hamotika azy ireo izany. DH: "Hamotika azy ireo amin'ny tanako Aho"

Nitsoka tamin'ny rivotrao ianao

Resahan'i Mosesy toy ny hoe mitsoka rivotra amin'ny orony na vavany ny fitsohan'Andriamanitra rivotra. DH: "Nefa nataonao nitsoka ny rivotra"

nilentika tahaka ny firaka anatin'ny rano mahery

Ny firaka dia vy mavesatra izay nampiasaina mba handetehana zavatra ao an-dranomasina. Ny teny hoe "firaka" eto dia nampiasaina mba hanehoana ny hafainganan'ny fahapotehan'ireo fahavalo. DH: "nilentika faingana tahaka ny firaka amin'ny rano manonja"

Iza no tahaka Anao, ry Yaveh, eo amin'ireo andriamanitra?

Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba haneho ny haben'Andriamanitra. DH: "O ry Yaveh, tsy misy olona tahaka Anao amin'ireo Andriamanitra!" na "Yaveh, tsy misy andriamanitra tahaka Anao!"

Iza no tahaka Anao,...manao fahagagana?

Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba haneho ny haben'Andriamanitra. DH: Tsy misy tahaka Anao. Tsy misy malaza amin'ny fahamasinana tahaka Anao, tsy misy omena voninahitra amin'ny dera tahaka Anao, ary tsy misy manao fahagagana tahaka Anao!"