plt_tn/exo/14/04.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy manoro an'i Mosesy i Yaveh ny amin'izay alehany sy ny amin'izay hataon'i Yaveh.

Hanamafy ny fon'i Farao Aho

Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno fahamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao izany andian-teny izany ihany ao amin'ny 9:11. DH: "Hahatonga an'i Farao hanohitra kokoa Aho"

hanenjika azy ireo izy

"Hanenjika ireo Israelita i Farao"

Hahazo voninahitra Aho

"Hanome voninahitra Ahy izy ireo"

ho fantatry ireo Egyptiana fa Izaho no Yaveh

"Ho takatry ny Egyptiana fa Izaho no Yaveh, Ilay Andriamanitra tena izy"

Koa dia nitoby araka izay natoro azy ireo ny Israelita

DH: "Koa hitoby araka izay natoron'i Yaveh azy ireo ny Israelita"

Rehefa voalaza tamin'ny mpanjakan'ny Egypta

DH: "Rehefa nisy olona niteny tamin'ny mpanjakan'ny Egypta"

mpanjakan'ny Egypta

Io dia manondro an'i Farao.

nandositra

"nitsoaka"

namadika ny sainy tamin'ny vahoaka i Farao sy ireo mpanompony

Eto ny teny hoe "saina" dia manondro ny fahazaran'izy ireo tamin'ireo Israelita. DH: "Nanova ny fahazaran'izy ireo tamin'ny vahoaka i Farao sy ireo mpanompony"

Fa inona ity nataontsika ity tamin'ny famelana an'Israely andeha an-kalalahana tsy hanompo antsika?

Mametraka io fanontaniana io izy ireo mba hanehoana fa nihevitra izy ireo fa nanao zavatra hadalana izy ireo. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Efa nahavita zavatra adaladala tamin'ny namelana ny Israely ho afaka tsy hiasa ho antsika isika!"