plt_tn/exo/13/14.md

16 lines
782 B
Markdown

# Raha manontany anao ny zanakao lahy any aoriana hoe: "Inona no dikan'izao?" dia ho lazainao azy
DH: "Raha manontany anao izay dikan'izany ny zanakao lahy any aoriana any, dia hilaza azy ianao"
# tana-mahery
Ny teny hoe "tanana" eto dia manondro ny fihetsik'Andriamanitra na ireo asany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:1. DH: "ny hery hasehoko ao amin'ireo asako"
# trano fanandevozana
Resahin'i Mosesy toy ny hoe trano izay nitazonan'ny olona ireo andevo i Egypta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:3. DH: "toerana izay naha-andevo anao"
# Ho zary fampatsiahivana eo amin'ny tananao, sy fampatsiahivana eo amin'ny handrinao izany
Izany dia milaza fomba roa hampahatsiahivana ny hasarobidin'ny paska. Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 13:8.