plt_tn/exo/13/14.md

782 B

Raha manontany anao ny zanakao lahy any aoriana hoe: "Inona no dikan'izao?" dia ho lazainao azy

DH: "Raha manontany anao izay dikan'izany ny zanakao lahy any aoriana any, dia hilaza azy ianao"

tana-mahery

Ny teny hoe "tanana" eto dia manondro ny fihetsik'Andriamanitra na ireo asany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:1. DH: "ny hery hasehoko ao amin'ireo asako"

trano fanandevozana

Resahin'i Mosesy toy ny hoe trano izay nitazonan'ny olona ireo andevo i Egypta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:3. DH: "toerana izay naha-andevo anao"

Ho zary fampatsiahivana eo amin'ny tananao, sy fampatsiahivana eo amin'ny handrinao izany

Izany dia milaza fomba roa hampahatsiahivana ny hasarobidin'ny paska. Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 13:8.