plt_tn/exo/04/10.md

1.1 KiB

mahay mandaha-teny

''mpiteny tena mahay''

Miadam-piteny sy miraiki-dela aho

Ny andian-teny hoe ''miadam-piteny'' sy ''miraiki-dela'' dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny izay hoe tsy mpiteny mahay.

miraiki-dela

Eto ny ''lela'' dia manondro fahaizan'i Mosesy miteny. DH: ''tsy mahay miteny misosa''

Iza ilay nanamboatra ny vavan'ny olona?

Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa Izy no Mpamorona izay mampiteny ny olona raha mety izany. DH: ''Izaho Yaveh dia Ilay Iray izay namorona ny vavan'ny olona sy ny fahaizana miteny!''

Izay nanao ny olona ho moana na marenina na mahiratra na jamba?

Nampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa Izy no Ilay Iray izay manapa-kevitra raha afaka miteny na mandre, ary raha afaka mahita izy ireo. DH: ''Izaho Yaveh no mampiteny ny olona, na mapandre, na mampahita , na ho jamba!''

Moa tsy Izaho, Yaveh?

Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa Izy irery no maka ireo fanapahan-kevitra ireo. DH: Izaho, Yaveh, no Ilay izay manao izany!''

Izaho homba ny vavanao

Eto ny hoe ''vava'' dia manondro ny fahaizan'i Mosesy miteny. DH: ''Hanome anao ny fahaizana miteny anao Aho''