plt_tn/est/05/09.md

1.2 KiB

tsy nitsangana na ... i Mordekay

Ny fitsanganana dia mariky ny fanajana. Mordekay dia tsy nanome fanajana manokana ho an'i Hamana.

feno fahatezerana ... izy

Ny hoe "feno fahatezerana" dia fanehoana hatezerena lehibe. DH: "tena tezitra mafy izy"

nifehy ny tenany i Hamana

Ny fifehezan-tena dia fandavana hanao zavatra izay tena tiana atao. Te ampiseho fa tena tezitra mafy tamin'i Mordekay i Hamana. DH: "Nandà ny ampiseho ny hatezerany i Hamana"

Zaresa

Izany dia anaram-behivavy.

Naverin'i Hamana notanisaina tamin'izy ireo ny famirapiratan'ireo hareny

DH: "notantarain'i Hamana tamin'izy ireo ny habetsaky ny harenany" na "nolazain'i Hamana momban'ireo zavatra maro be ananany izy ireo"

ny fampisondrotana rehetra izay nanomezan'ny mpanjaka voninahitra azy

Izany dia midika fa nanome asa manan-danja azy ny mpanjaka. DH: "Ny fomba nampisondrotan'ny mpanjaka azy imbetsaka sy nanomezany voninahitra azy" na "ny nanomezan'ny mpanjaka voninahitra azy imbetsaka tamin'ny fanomezana asa manan-danja azy"

ny fomba nandrosoany teo amin'ireo manamboninahitra sy ireo mpanompon'ny mpanjaka rehetra

DH: "ny nahalasa olona manan-danja azy mihoatran'ny manam-boninahitra sy mpanompon'ny mpanjaka rehetra azy"