plt_tn/eph/05/13.md

20 lines
1020 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Tsy fantatra raha ity teny nambara ity dia fampifangaroan-teny avy amin'Isaia mpaminany na teny nindramina avy amin'ny hira fanevan'ireo mpino.
# ny zavatra rehetra izay miharihary dia fahazavana
''ny olona dia afaka mahita mazava tsara ny zavatra rehetra izay miditra ao amin'ny fahazavana.''
# Mifohaza, ianao matory, mitsangàna amin'ny toeran'ny maty
Ireo dika azo heverina: 1) Paoly miresaka amin'ireo tsy mpino izay mila mifoha amin'ny fahafatesana ara-panahy toy ny olona maty tokony ho velona indray mba afahana mamaly, na 2) Paoly miresaka amin'ireo mpino Efesiana ary mampiasa fahafatesana toy ny sariteny ho an'ny fahalemena ara-panahin'izy ireo.
# ianao matory ... hamiratra aminareo
Ny ''ianao'' dia maneho ilay olona ''matory''
# hamiratra aminao Kristy
Kristy dia hanampy ireo tsy mpino hahatakatra ny maha-ratsy ny asany sy ny fomba hamelan'i Kristy azy ary ny hanomezany azy fiainam-baovao, tahaka ny hazavana mampiseho ny tena marina izay afenin'ny haizina.