plt_tn/eph/05/13.md

1020 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Tsy fantatra raha ity teny nambara ity dia fampifangaroan-teny avy amin'Isaia mpaminany na teny nindramina avy amin'ny hira fanevan'ireo mpino.

ny zavatra rehetra izay miharihary dia fahazavana

''ny olona dia afaka mahita mazava tsara ny zavatra rehetra izay miditra ao amin'ny fahazavana.''

Mifohaza, ianao matory, mitsangàna amin'ny toeran'ny maty

Ireo dika azo heverina: 1) Paoly miresaka amin'ireo tsy mpino izay mila mifoha amin'ny fahafatesana ara-panahy toy ny olona maty tokony ho velona indray mba afahana mamaly, na 2) Paoly miresaka amin'ireo mpino Efesiana ary mampiasa fahafatesana toy ny sariteny ho an'ny fahalemena ara-panahin'izy ireo.

ianao matory ... hamiratra aminareo

Ny ''ianao'' dia maneho ilay olona ''matory''

hamiratra aminao Kristy

Kristy dia hanampy ireo tsy mpino hahatakatra ny maha-ratsy ny asany sy ny fomba hamelan'i Kristy azy ary ny hanomezany azy fiainam-baovao, tahaka ny hazavana mampiseho ny tena marina izay afenin'ny haizina.