plt_tn/deu/33/24.md

16 lines
919 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; tononkalo fohy ilay tso-drano.
# hanatsoboka ny tongony anaty menaka oliva
Ny menaka oliva dia nampiasaina ho an'ny sakafo sy ny hoditry ny tava sy tanana. Naloto ny tongotra, noho izany dia fanimbana zavatra sarobidy ny fanosorana menaka oliva amin'ny tongotra. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fanambarana ity. DH: "manana menaka oliva maro ka vitany ny nandanindany izany"
# hidin'ny tanànanao ... ireo andronao ... filaminanao
Mosesy miresaka amin'ny fokon'i Asera toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
# Ho vy sy varahina anie ireo hidin'ny tanànanao
Ny tanàna dia nanana hidy vy lehibe teo amin'ny vavahadin'izy ireo mba hihazonana ny fahavalo any ivelany. Afaka atao mazava ny hevitr'ity fanambarana ity. DH: "Ho voaaro amin'ny fanafihan'ny fahavalonao anie ianao"