plt_tn/deu/33/24.md

919 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; tononkalo fohy ilay tso-drano.

hanatsoboka ny tongony anaty menaka oliva

Ny menaka oliva dia nampiasaina ho an'ny sakafo sy ny hoditry ny tava sy tanana. Naloto ny tongotra, noho izany dia fanimbana zavatra sarobidy ny fanosorana menaka oliva amin'ny tongotra. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fanambarana ity. DH: "manana menaka oliva maro ka vitany ny nandanindany izany"

hidin'ny tanànanao ... ireo andronao ... filaminanao

Mosesy miresaka amin'ny fokon'i Asera toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.

Ho vy sy varahina anie ireo hidin'ny tanànanao

Ny tanàna dia nanana hidy vy lehibe teo amin'ny vavahadin'izy ireo mba hihazonana ny fahavalo any ivelany. Afaka atao mazava ny hevitr'ity fanambarana ity. DH: "Ho voaaro amin'ny fanafihan'ny fahavalonao anie ianao"