plt_tn/deu/33/18.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy mitso-drano ny foko tsirairain'Israely; tononkalo fohy ilay tso-drano. Izy dia miresaka amin'ireo fokon'i Zebolona sy Isakara toy ny hoe olona iray ihany, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.

Mifalia, ry zebolona, amin'izay halehanao, ary ianao, ry Isakara, ao an-dainao

Ny vahoakan'i Zebolona dia any akaikin'ny Ranomasina Mediteraneana. Niantsambo teny an-dranomasina izy ireo ary nivarotra tamin'ireo olona hafa. Ny vahoakan'Isakara dia nankafy ny fiainana am-pilaminana sy fiasana tany ary fiompiana biby fiompy.

Any no hanateran'izy ireo

"any izy ireo ho hanatitra"

fanati-pahamarinana

"sorona azo ekena" na "fanatitra iombonana"

Fa izy ireo no hitroka ireo haren-dranomasina, sy avy amin'ny fasika eo amoron-dranomasina

Ireo mety ho heviny dia 1) hivarotra amin'ireo olona manerana ny ranomasina izy ireo na 2) nanomboka nampiasa fasika izy ireo hanaovana vilany.

Fa izy ireo no hitroka ireo haren-dranomasina

Ny teny Hebreo voadika hoe "mitroka" eto dia maneho ny fomba fihinan'ny zaza amin'ny nonon-dreniny. Izany dia midika fa ny olona dia hahazo harena avy amin'ny ranomasina tahaka ny zaza mahazo ronono amin'ny reniny.