plt_tn/deu/33/17.md

921 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; ireo tso-drano dia tononkalo fohy. Manohy mamaritra ny fokon'i Josefa izy, izay natombony tao amin'ny 33:13.

Ny voalohan-teraky ny omby, dia be voninahitra izy

Ny omby dia sarinteny ho an'ny zavatra lehibe sy matanjaka. Ny teny hoe "voalohan-teraka" dia sarinteny ho an'ny voninahitra. DH: "ny olona dia hanome voninahitra ny taranak'i Josefa, izay maro sy mahery"

ireo tandrony dia tandrok

Ny tandroka dia sarinteny ho an'ny hery. DH: "izy dia matanjaka tahaka ny"

Amin'izany no hanotoany

Ny hoe manoto amin'ny tandrony dia sarinteny ho an'ny hery. DH: "Matanjaka izy ka hanoto"

an'alinalin'i Efraima ... an'arivorivon'i Manase

Ity dia midika fa ny fokon'i Efraima dia hatanjaka kokoa noho ny fokon'i Manase. DH: "ny vahoakan'i Efraima, izay niisa 10,000 imbetsaka ... ny fokon'i Manase, izay niisa 1,000 imbetsaka.