plt_tn/deu/28/01.md

902 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.

ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao

Eto ny sarinteny hoe "feon'i Yaveh" dia maneho izay lazain'i Yaveh. DH: "izay lazain'i Yaveh Andriamanitrao"

mitandrina

"ary mankato"

hametraka anao ambonin'ny

Mosesy dia miresaka ny hoe manan-danja na lehibe toy ny hoe zavatra materilay izay avo izany, toy ny eo amin'ny havoana avo. DH: "hanao anao ho manan-danja kokoa noho" na "hanao anao ho lehibe kokoa noho"

Ireo fitahiana rehetra ireo dia ho tonga aminao ary hahatratra anao

Mosesy dia mamaritra ny fitahiana toy ny hoe olona izay hanafika azy ireo tampoka na hanenjika sy hahatratra azy ireo. DH: "Yaveh dia hitahy anao tahaka izany amin'ny fomba izay tsy ho ampoizinao mihitsy, ary ho toy ny hoe tsy afaka hitsoaka Azy mitahy anao ianao"