plt_tn/deu/27/01.md

20 lines
959 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
# andidiako anareo androany ... hiampita an'i Jordana ianareo
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe vondrona, noho izany dia "ianareo" no ampiasaina.
# andidiako
Mosesy no miteny eto. Ireo loholona dia manao fifanarahana amin'i Mosesy any, fa izy irery no miteny.
# handalotra ireo amin'ny sokay
Ny sokay matetika dia fifangaroan'ny vovoka hazo, fasika, rano izay aparitaka amin'ny zavatra. Mihamaina izany mba ho lasa faritra mafy, malefaka izay afaka hanoratan'ny olona. DH: "hanaparitaka sokay eo amin'ireo" na "hanamboatra ireo mba hahafahanareo manoratra eo amin'izany"
# tany tondra-dronono sy tantely
Fomba fiteny ity. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 6:3. DH: "tany izay feno ronono sy tantely mikoriana" na "tany izay tena tsara ho an'ny biby fiompy sy ny fambolena"